<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J.B. Dykes</author>
<hymn_number>441</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Raiso aho, Tompo ô !
 Fa te-ho mpanomponao ;
 Raiso koa ny androko,
 Ka anarano fo izao.

[V2]
 Raiso re ny tanako
 Mba hanao ny asanao ;
 Raiso koa ny tongotro
 Ho fanirakirakao.

[V3]
 Raiso ny fahaizako,
 Ento mba hanaja Anao ;
 Raiso koa ny volako
 Ho Anao tokoa izao.

[V4]
 Raiso re ny vavako
 Hampiseho ny hafatrao ;
 Raiso koa ny feoko
 Ho mpanandratra Anao.

[V5]
 Raiso ny fanahiko
 Diovy ho tempolinao ;
 Raiso aho, Tompo ô !
 Ho Anao mihitsy izao.

[V6]
 Ho Anao manokana,
 Ry Mpamonjy,
 Tompo soa !
 Ho Anao dia Anao
 tokoa,
 Ho Anao mandrakizay.</lyrics>
<title>Raiso aho, Tompo o FFPM441</title>
</song>